Fifamoivoizana

Lalana Ankadimbahoaka - By pass Mbola misy ampahan-dalana tsy voarakotra tara


  • Talata 28 Martsa 2023

Omaly 27 martsa no fotoana voatondro fa hahavitan’ny lalana etsy Ankadimbahoaka miazo an’ny By pass rehefa nasiam-panamboarana efa ho herinandro mahery izao.

Ny nampitaraina ireo mpampiasa lalana anefa omaly dia mbola misy ampahan-dalana tsy mbola voarakotra tara mihitsy amin’io lalana io. Ny fitohanana anefa eo an-daniny tena manao ny hataony. Mahalany ora efatra ny olona iray miala etsy Ankadimbahoaka handeha hody any Alasora vao tonga any an-tokantranony. Ny tsy fisian’ny fandriampahalemana tsy lazaina intsony. Betsaka ireo mpampiasa manolotra soso-kevitra ny amin’ny tokony hanohizana ny asa fanamboarana ity lalana ity amin’ny alina araka izany. Tsara kokoa ihany koa raha amin’ny alina no hatao ny fandrakofana tara izany hoy hatrany izy ireo. Hetahetan’ireo mpampiasa lalana araka izany ny tokony hanomezan’ny ministeran’ny asa vaventy fotoana matotra tena hahavitan’ny asa fanamboarana ity lalana ity fa tena mijaly izy ireo. Ho an’ireo taxibe manokana dia mila tsy hahazo ny volan’ny mpampiasa intsony izy ireo noho ny fitohanana tsy maintsy iainana mivoaka etsy Saropody sy ny haratsian-dalana. Manodidina ny 40.000 Ar isan’andro isaky ny fiara eo ho eo ny fatiantoka niainan’izy ireo hatramin’ny fotoana nahatapahan’ny lalana.
Pati
Legende : Tokony efa vita omaly ity lalana ity saingy …
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT