Làlana Andilagna beach Nosy Be Hell Ville

Vehivavy 19 taona sy ny zanany 6 volana maty nodomin’ny kamio


  • Zoma 09 Febroary 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany Atratrakoto làlana

makany Andilagna Nosy-Be Hell Ville ny andron’ny omaly. Kamio iray no nandona vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany, izay nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Maty teo noho eo ilay renim-pianankaviana, raha toa ka nialana nenina tany amin’ny hopitaly kosa ilay zanany izay vao 9 volana, saingy indrisy fa tsy tana ihany koa ny ainy. Nandeha mafy ilay kamio kinanjo nifanojo tamin’ny kamio hafa, ka niala an’iny namonjy sisiny, ka ireto mpianaka tsy manan-tsiny no nifatrarany. Vao 19 taona ihany monja ity renim-pianankaviana ity, ary 9 volana ilay zanany araka ny efa voalaza etsy ambony. Mankahery ireo fianankaviany, ary manentana ny rehetra hitandrina hatrany amin’ny resaka fifamoivoizana satria ny tsy fitandreman’ny hafa dia mitera-doza ho an’ny tsy manan-tsiny.
Nangonon’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT