Lalana Ampitatafika – Vinany

Simba isan-taona, amboarina isan-taona


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Misy ampaha-dalana mirefy 20 metatra eo ho eo no potika

tanteraka amin’ny lalana rarivato mampitohy an’Ampitatafika amin’Ambohikely sy Vinany Loharanombato. Ilay eo amin’ny BNI no miakatra mianavaratra iny ho an’izay efa mpandeha aminy. Ny nilatsahan’ny orana no ela dia nivadika ho fotaka mandrevo sy lavaka ilay lalana rarivato izay vao namboarina herintaona mahery kely lasa izay. Tsy vao tamin’ity taona ity ihany no amboarina sy simba io lalana io fa efa ho 10 taona teo ho eo izao ; izany hoe tany amin’ny fitondrana tetemaita no efa raikitra ny fanamboaran-dalana tany amin’iny faritra Atsimondrano iny ka ireo lalan-tany teo aloha dia navadika rarivato avokoa. Ampitatafika mifandray amin’Ambohimamory, Vinany, Ambavahaditokana, Andranonahoatra. Ny tena mahagaga anefa dia eo amin’io ampahan-dalana kely eo Ampitatafika io dia simba isan-taona ihany koa. Tena olana ara-tekinika tamin’ny fomba nanaovana ny fanamboarana ny fahitana ilay izy satria toerana somar milasataka izay ilay izy ka rehefa avy ny orana dia mora miangona ny rano, ary mafy dia mafy ihany koa ny tosiky ny riaka sy rano be rehefa tena fahavaratra hany ka manongotra avy hatrany ireo vato nanamboarana ny lalana. Ny fomba nametrahana ireo rarivato koa dia tsikaritra fa kitoatoa ihany, any anaty fanaraha-maso ara-tekinika moa dia efa tsy resahana intsony fa anisan’ny lesoka lehibe ami’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Tsy mifanaraka mihitsy amin’ny toe-tany sy ny zava-misy ny ankamaroan’ny lalana amboarina, tsy manaja ny fenitra hany ka simba isan-taona. Raha ny tokony ho izy anefa maharitra 30 ka hatramin’ny 50 taona tsy izany lalana vao namboarina izany. Porofo iray amin’ny kitooa amin’ny fomba fiasa sy ny fitantanana misy eto ity tranga eny Ampitatafika ity, ka mila mba dinihan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany fa tena tsy lojika mihitsy izany hoe lalana simba isan-taona dia amboarina isan-taona izany.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT