Fifamoivoizana

Lalana amboarina anaty fotoam-pahavaratra Asa kitoatoa, miteraka fahasahiranana hafa indray


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Alasafay, hoy ireo mpitatitra sy mpampiasa lalana ity asa fanamboaran-dalana tanterahin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoam-pahavaratra izao ity.

 

 Sady tsy mahavonjy poritra no vola ariana fotsiny  toy  ilay  lalana namboarina efa simba sahady etsy Anosizato nefa  niteraka fitohanana be tokoa. Tsy mankasitraka ity asa fanapenana lavadavaka tanterahin’ny fitondram-panjakana manerana ny faritra maro eto Antananarivo ity ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana. Raha tsiahivina, vokatry ny tsy fisian’ny asa fikojakojana ny fotodrafitrasa tamin’ny andron’ny tetezamita no niteraka izao haratsian-dalana goavana eto an-drenivohitra izao. Ankehitriny indray tsy manam-bola ny fitondrana foibe sy ny kaominina isanisany ka tsy misy ihany koa ny azo atao. Tonga saina ny rehetra ankehitriny fa tena ilaina tokoa ny lalana ary miteraka fatiantoka goavana ny faharatsiany. Manazava ny heviny tahaka izao ireto mpampiasa lalana sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto :

Rado Rakoto, mpamily ao amin’ny taksibe zotra G mihazo an’Alakamisy Fenoarivo :  Tsy mety mihitsy aloha ilay hoe : fotoam-pahavaratra vao manamboatra lalana ity e ! Sady miteraka fitohanana etsy sy eroa ilay izy no mampijaly ny madinika koa. Ny fitohanana efa tsy maintsy hiainana isan’andro aza efa  fidiny.

Laza, pointeur ao amin’ny zotra G  : Tena tsy mety ilay izy fa tokony hojeren’ny fitondrana ihany ilay asa fanamboarana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Lasa tsy misy dikany mantsy ilay asa.  Mahantra ihany koa ny mpitatitra amin’ny fitohanana etsy sy eroa nefa tokony hitatitra ny vahoaka am-pilaminana. Ho anay avy any Alakamisy Fenoarivo izao raha amin’ny 6 ora maraina izahay no miala any an-toerana tsy tonga eto Anosy raha tsy amin’ny 10 ora antoandro.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT