Fifamoivoizana

Lalana Alatsinainy miazo an’Ambohitromby


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Misy manaparitaka éponge feno fantsika amin’ny arabe

Miseho lany hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Raha ireo mpitora-bato sy mpanakan-dalana no tena nalaza teo aloha dia efa misy indray amin’izao ireo manaparitaka éponge feno fantsika eny amin’ny lalana mba hamandrihana ireo fiara sendra mandalo. Voakasik’izany lalana eny Alatsinainy miazo an’Ambohitromby, ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Nisy araka izany ny fidinana ifotony notanterahin’ny zandary avy ao amin'ny borigadin’Alasora teny an-toerana nijery akaiky ny zava-misy. Nitohy tamin’ny fisafoana sy ny resaka nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitra eny anivo’ny Fokontany izany mba samy ho mailo avokoa hahafahana miady amin’ireo mpanao ratsy. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny paikady hampiasain’ireo jiolahy ny fanaovany fihetsika tahaka izao. Raha vantany vao tratran’ilay fantsika ilay fiara mandalo dia tsy maintsy mijanona ka miditra amin’ny fandrobana avy hatrany izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny endrik’ilay éponge feno fantsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT