LALANA 67 HA MIVOAKA ANOSIBE

Misy vehivavy tsy salama saina


  • Zoma 23 Janoary 2026

manakorontana ny fifamoivoizana

Mafy ny fitohanana miazo an'Anosibe tsena, Boriborintany faha-efatra isan'andro ho an'ireo taxibe avy any Itaosy hivoaka Mahamasina sy 67 ha hiazo an'Andoharanofotsy. Mahalany ora 3 isaky ny mandeha mantsy ny taxibe iray raha kely vokatry ny gaboraraka hataon'ireo mpitarika posy sy sarety, mpamily fiara vaventy mpitatitra voankazo sy legioma mibahana na langalatra lalana...Ankoatra ireto farany dia manao ny hataony ihany koa ireo taxibe mañana tobim-pitsaboana eny amin'iny Faritra iny arahina vehivavy tsy salama saina iray izay tena manakorontana ny fifamoivoizana tokoa. Vao maraina io vehivavy io dia efa mandehandeha eny amin'iny Faritra Andavamamba mivoaka Anosibe iny manoloana ny Fiangonana ara-pilazantsara. Bahanany ny lalana no sady miaraka amin'ny vatobe izy ka saika matahotra azy avokoa ny mpamily. Sady miteny ratsy io vehivavy tsy salama saina io no manao fitafiana mamoafady koa indraindray ka mahasorena ny maro. Raha araka ny fanazavan'ny mpamily taxibe iray mpampiasa iny lalana iny isan'andro dia efa ela io vehivavy tsy salama saina io no nanao ny nataony teny an-toerana. Misy aza ireo résevera efa notorahany tamin'ny vato mihitsy ka naratra, indrindra fa ireo mananihany azy. Antso avo araka izany no hataon'ny mponina sy mpampiasa lalana eny Andavamamba amin'ireo tompon'andraikitra voakasika mikasika ity vehivavy tsy salama saina ity. Amin'ny ankapobeny moa dia anjarany kaominîna ny maka azy ireny ary manatitra azy eny amin'ny ivon-toerana fitazomana ireo olona tsy salama saina.
Pati
Légende : Antony miteraka ny fitohanana hatrety Anosibe io Ramatoa tsy salama saina io !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT