Lalan'ny fasan'ny karana

Henjana ny fitohanana noho ny fanamboarana


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Nanomboka omaly talata 5 desambra 2023 ny fanamboarana ny lalana

mihazo an' Anosizato mandalo ny toby fiantsonana'ny fasan'ny Karana iny. Ilay vao miditra eo Ankadimbahoaka no nanombohana ny asa ka ny orinasa colas no miandraikitra azy. Somary nanakorontana ny fifamoivoizana ny fisian'io asa fanamboarana io noho ny tsy fisian'ny fampandrenesana mialoha ireo mpampiasa ny lalana fitohana lavareny no hita teny amin'ny manodidina. Misy amin'ireo fiara fitanteram-bahoaka nampiasa iny lalana iny aza no voatery nandeha tamin'ny lalan-kafa. Faly sahirana araka izany ireo mpampiasa iny lalana iny satria tsy nisy tsy nimenomenona sy nitaraina tamin'ny faharatsiany indrindra rehefa fotoan'ny orana tahaka izao. Manomboka anefa izao ny fanamboarana dia tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ka ny mandamina fotoana no mety indrindra.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT