Fifamoivoizana

Lalan'ny atody » Tsy nahazo fanonerana ara-bola ireo nalaina ny taniny


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Lalana mirefy 19 km vita tara ary mampifandray Kaominina telo ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo dia ny Kaominina Mahitsy, ny Kaominina Ampanotokana,

ary ny Kaominina Antanetibe Mahazaza ny « Lalan'ny atody ». Natomboka ny taona 2018, tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izy io, vokatry ny fanampiana avy amin’ny governemanta Sinoa, ary novitaina tamin’izao fitondrana izao na somary nisy fahatarana aza ny famitana azy noho ireny valan’aretina Covid-19 ireny. Maro ireo tanin’olontsotra nalain’ny fanjakana nahafahana nanamboatra sy namitana ny lalana, ho tombontsoan’ny besinimaro. Mandraka ankehitriny anefa dia voalaza fa tsy mba nahazo fanonerana ara-bola izy ireny ka mitaraina. Tsy hitan’ny olona izay haleha, satria dia “ariraran’ny fanjakana fotsiny”, hoy ireo voakasika rehefa mba mitaky izany izy ireo. Vokatr’io dia milaza ho tsy manam-bola ireo mpanana sarety kodiaram-by, mba hanoloana ho kodiarana fiara ny sarety kodiarana tanamasoandro mifono vy, na efa nomena fe-potoana nanatanterahana izany aza izy ireo. Nisy fotoana nitokona teo Mahitsy ireo tsy nahavita nanova satria hoe tsy manam-bola. Ny tompon-tsarety ihany koa tsy manaiky ny tsy hamelana azy ireo tsy handeha. Izay koa ve no tsy mbola nitokanana ka nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavitan’io « Lalan'ny atody » io.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT