LALAN-KELY SIMBA AO ANKASINA

Nifanome tanana ny fokonolona rehefa tsy hanao ny fanjakana


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Nifanome tanana nanamboatra ny lalana simba vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Geralda

tamin’ny taona 1994 teto amintsika ireo mponina ao amin’ny Fokontanin’Ankasina sy Andohatapenaka I sy II, Kaominina Antananarivo renivohitra rehefa tsy hanao ny Fitondram-panjakana. Tena fadiranovana mantsy izy ireo rehefa fotoam-pahavaratra. Voatery mirobo-drano ny olon-dehibe raha mandeha lakana kosa ireo kilonga madinika miditra sy mivoaka ny trano isan’andro. Ankoatra izay dia hataon’ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny aretin-koditra mahita ihany koa izy ireo. Mirefy 950 metatra moa io lalana namboarina io ka ireo fokonolona ihany no nanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny asa tana-maro. Mbola izy ireo ihany koa no nanao ny tsipaipaika nividianana ny vatokely sy ny simenitra ary ny fasika nanaovana izany. Na izany aza anefa dia mbola tsy ampy ireo kojakoja novodian’izy ireo ireo. Miantso ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po vonona ny hifanohana aminy araka izany ireo fokonolona ao Ankasina ireo mba hifanotrona aminy hatrany.
Pati
Legende : Difotra avokoa ireny tetezan-kazo ety Ankasina ireny rehefa fotoam-pahavaratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT