Fifamoivoizana

Lalan-dratsy mankeny Itaosy Miantso ny fanjakana hiasa ny depiote Voahangy R


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Mitaraina mafy amin’ny faharatsian-dalana mampitohy an’Itaosy sy Behenjy ary Ampasika iny izahay eny Atsimondrano eny, hoy ny depiote voafidy tany an-toerana, Voahangy Raharimanarivo, satria raha fiara ivaiva dia latsaka mihitsy noho ny hadirin’ireo lavaka.

Isaorana ny polisy sy ny zandary izay mahavatra amin’ny 6 ora maraina dia efa mandamina ny fifamoivoizana eny an-toerana ary tsy noho izy ireo akory no anton’ny mampitohana ny fifamoivoizana fa ilay tata-drano eny an-toerana mandoaka ireo tara (goudron). Efa niteny tamin’ny tompon’andraikitra nandritry ny fihaonana tamin’ny governemanta ny amin’ny tokony hanamboarana iny lalana iny izahay, hoy hatrany ity depiote ity, satria ny kaominina tsy manana ny enti-manana. Azo atao ny manampina vonjimaika anefa, hoy izy, saingy sao ahita izay indray ny minisitera dia hionona fa mangataka izahay mba hatao tsara ilay izy. Tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe RIP na route d’intérêt provincial moa iny lalana iny ka tokony ho andraikitry ny fitondram-panjakana ny fanamboarana azy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT