Fifamoivoizana

Lalan-dratsy eto Antananarivo Miteraka fatiantoka ho an’ireo taxi be


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Samy misedra olana avokoa ireo fiara fitateram-bahoaka rehetra eto an-drenivohitra na ny fiara karetsaka na ny taksibe vokatry ny lalana maro simba.

Mitovy avokoa anefa ny olana mijandy amin’izy ireo hoan’ny fiara karetsaka aza dia sahy milaza izy ireo fa nihena ny fampidirana solika ataon’izy ireo izay 4 ka hatramim’ny 5 litatra ao anatin’ny roa andro raha misy ny mpandeha maka azy ireo amin’ny toerana ijanonana. Nilaza mantsy ny mpamily fiara karetsaka iray fa nihena ny mpandeha nohon’ny fahasahirana olona ka betsaka ny olona no misakafidy mandray taksibe. Tsy zakany ny fahefam-bidy ny tsirariary intsony ny saran-dalana ireo fiara karetsaka. Ho azy ireo dia zara raha mahita 15 000 ariary isan’andro izy ireo izay mbola miampy ny solika ampiasaina . ny vidina kojakoja ireo fiara koa izay voalaza ireo mpamily fa niakatra toy ny kodiarana izay efa tafakatra 90 000 ariary izay kodiarana efa avy nampiasaina. Ny menaka ataon’ireo milina ihany koa hoy ireo mpamily fiara karetsaka dia nahitam-piakarany avokoa. Manoloana ireo lalana ratsy izay miteraka fitohanana dia voatery mampitombo ny solika ampiasaina ny fiara karetsaka satria mandany ny tsy famonohana motera ao anatin’ny fitohanana. Ireo mpitatitra ny taksibe dia nilaza indray fa in-efatra isan’andro izy ireo no miodina mitatitra mpandeha raha nihoatra izay teo aloha satria mitovy amin’ny fahasimbana mahazo ireo fiara karetsaka ihany no mahazo azy ireo. Ny ‘melle sy ny ressort’ no matetika soloina ho an’ireo taksibe izay niakatra izy io amin’ny magazay hoy hatrany izy ireo. 12 000 ariary isaky ny mitatitra ny gazoala ampidirina ho an’ny fiara taksibe. Fatiantoka no mianjady amin’ireo fiara fitateram-bahoaka. Ny lalana eny Ankazomanga no tena mampikaika ireo mpamily ; tena henjana ny fitohanan’ny fiara eny ka mety ho lany hatramin’ny ora iray. Ireo kodiaran-droa aza dia efa misisika sy tsy mandalo amin’ireo toerana ahitana ny fahapotehin-dalana betsaka ary manivaka. Ny fahasimban’ny ‘amortisseur’ no tena matetika voa amin’ny moto. Mitombo arak’izany ny fandanian-bola mivoka isam-bolana ho an’ny manana fitaovam-pitaterana rehetra manomboka nisian’ny fahasimban-dalana izay ny kojakoja mifandraiky aminy tsy maintsy ho vidina mba afahana manohy indray ny asa andavanandro.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT