Fifamoivoizana

Lalamby Fianarantsoa - Manakara Vitaina mialoha ny faran’ny taona ny asa fanarenana


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Efa am-bolana maro no nisy ny olana teo amin’ny lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara.

Nanazava ny tompon’andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana fa noho ny fahanteran’ny lokomotiva no antony. Nampikaikaika an’ireo olona tsotra mivezivezy sy mivarotra, indrindra ireo mpandraharaha ny fahatapahan’ny lalana. Ankoatr’izay dia tena nanimba tanteraka ny sehatry ny fizahantany izany ary maro tamin’ny mpizahatany na ny eto Madagasikara ihany na ny any ivelany no tsy te hiverina any intsony nahita ny olana. Hatreto aza moa dia tsy sahy mankany ny mpizahatany ary tena vitsy amin’izao andro fialantsasatra izao. Nanambara ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana fa tsy maintsy vitaina mialoha ny faran’ny taona 2019 ny fanarenana io zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara io. Efa nahazoana alalana sy nankatoavin’ny tetibolam-panjakana 2019 ny fanafarana lokomotiva miisa 2 ary eo an-dalam-pikirakirana izany ny teknisiana amin’izao fotoana ahafahana mampiasa azy.

Tsirinasolo

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT