Fifamoivoizana

Lalamby Anosibe Vehivavy iray nofaohan’ny lamasinina


  • Talata 27 Febroary 2018

Vehivavy iray nitaiza kely sahabo ho 35 taona teo ho eo no nofaohan’ny lamasinina tetsy amin’ny lalamby Anosibe, omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany.

 

Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia  mamo izy ary tsy nahatsiaro tena mihitsy. Nandalo tampoka anefa ilay lamasinina avy any atsimo hihazo ny garan’i Soarano ka rapa tanteraka ny lohany. Tao anatin’ny hirifiriny ity renim-pianakaviana ity vao taitra tamin’ny torimasony. Tsy naninona kosa ilay menaky ny ainy vao 2 taona sy tapany monja  fa avotra soa aman-tsara.  Efa nentina namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha avy hatrany izy. Mikasika ilay olona tompon’andraikitra mpitsoka kiririoka eny an-toerana kosa rehefa handalo ny lamasinina dia tsy tazan’ny mponina teny an-toerana izy io  omaly maraina.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT