Fifamoivoizana

Lalamby Anosibe Tapaka ny fen’ilay lehilahy voahitsaky ny lamasinina


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Zava-doza no nitranga tetsy amin’ny lalamby Anosibe, ampitan’ny orinasa Colas omaly tolakandro. Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo,

voalaza fa mamo no tsy nahare na inona na inona raha nandalo ny lamasinina ka voahitsaka ary tapaka ny feny. Nisava tsy fidiny ny toakan’io lehilahy io vokatry ny fanaintainana nahazo azy raha tsy afa-nijanona kosa ilay lamasinina, antony hampanenoan’izy ireny klakisaona tsy an-kiato raha vantany vao miala lavitra izy. Ora maromaro no lany nisikotra ity lehilahy tra-doza ity, ary hita fa tena nijaly izy hoy ireo nanatri-maso. Mbola afaka niresaka tsara izy nandritra izany izay nambaran’ireo nanatri-maso fa mbola nahenoana fofon-toaka. Tonga teny an-toerana nandamina ny polisim-pirenena satria somary niteraka fitangoronana sy savorovoro ity tranga ity. Efa nentina nanatona ny hopitaly moa izy mba hanaraka fitsaboana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT