Lalambe Antananarivo-Toamasina

Mbola hitavandrana trosa etsy sy eroa


  • Talata 19 Aogositra 2025

Raha nofaritana hatrany am-piandohana fa 924 tapitrisa dolara eo no hanatanterahana

ny làlambe mampifandray an’Antananarivo-Toamasina mirefy 260km, dia mbola baraingo ny hoenti-manana manontolo. Ny 80% avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ary 20% avy amin’ny Fanjakana. 10% monja amin’ilay 80km nolazaina fa vita ny faran’ny taona 2023 izay nanokana 301 miliara Ar tao anatin’ny tetibolam-panjakana aloha izany izao no vita tao anatin’ny 3 taona, tsy nisy mangarahara,… Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly fa ny Fonds de développement d’Abu Dhabi dia hanome vola hanohanana ny famatsiam-bola ity làlana ity, ka mitentina 60 tapitrisa dolara no fandraisan’anjarany. Ity vola ity dia tokony hanampy amin’ireo 250 ka hatramin’ny 350 tapitrisa dolara izay mety ho azo avy amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana an’i Afrika (BADEA), araka ny fanambarana nataon’ny filoha tamin’ny volana febroary 2025. Tamin’izany fotoana izany, dia naneho ny fahavononan’izy ireo hanohana “tetikasa goavana” izay heverina ho “fotodrafitrasa manavao” ho an’i Madagasikara, hoy ny seraseram-panjakana. Niraradraraka ny kabary omaly, ka nilazana fa amin’ny alalan’ny lalambe, ny tanjon’ny manampahefana dia ny hampihena ny halaviran-dalana eo amin’ny renivohitra sy ny seranan-tsambon’ny firenena, avy amin’ny 370 km ho lasa 260 km, ary ny fotoana dia hihena avy amin’ny 10 ora ho lasa 2 ora sy sasany monja. Ny fahavitan’ny tapany voalohany mirefy 8 km eo Ambodifasina hatrany Ambohimanga Rova nilazana fa 7-8 minitra monja dia mety zava-dehibe, saingy mbola betsaka ny asa tokony hatao, hiviny satria 3% monja no vita. Tsy latsaky ny 252 km no mbola tsy vita, ka ilaina ny manangona ampahany amin’ny tetibola manontolo izay tombanana ho 924 tapitrisa dolara. Raha hitrosa hamitana ity lalambe ity ihany dia sao mba hitadiavana trosa ihany koa ireo lalàmpirenena maro potika ? Tsy afaka manao zavatra ve isika raha tsy mitrosa ? Nandritra ny fanokafana ny tapany Ambodifasina – Ambohimanga Rova omaly alatsinainy ity, dia niaraka tamin’i Andry Rajoelina ny Mpanjaka Mswati III avy any Eswatini, ny Filoha zimbaboeana Emmerson Mnangagwa, ny Praiminisitra avy any Lesotho Ntsokoane Samuel Matekane, ary ny Sekretera mpanatanteraka ny SADC, Elias Magosi.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT