LALAMBE

ANTANANARIVO -TOAMASINA


  • Alatsinainy 29 Jona 2026

Efa tonga ao Anjozorobe ny "terrassement"

Mandeha araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ilay lala-mikodana mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina. Efa tonga any amin'ny distrikan'Anjozorobe mantsy amin'izao fotoana izao ny fanotorana tany ny lalana na ny terrassement. Handalo eo amin'ny tetezan'i Mananara ny asa, antony nanontanian'ny orinasa Egipitiana iray nahazo ny tolo-bidy ny fomba amam-panaon'ny mponina ao Anjozorobe hisorohana ny loza mety hitranga. Nisy araka izany ny joro natao afak'omaly Sabotsy 27 Jona natrehin'ireo olobe tao an-tanana sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Narahina fanolorana paompin-drano fisotro madio ho an'ny mponina izany ho famaliana ny hetahetan'izy ireo. Hatreto mantsy dia mbola misedra olana amin'ny fisitrahana izany izy ireo ka mahazo vahana hatrany ny aretin-kibo.... Hitohy araka izany ny asa. Ora 4 na 5 monja moa raha betsaka dia ho tonga any Toamasina ny fiara iray rehefa miainga eto Antananarivo ka mampiasa ny lala-mikodana rehefa vita soa aman-tsara ny asa. Hanafaingana ny fivezivezen'ny mponina sy ny vokatra izany no sady hampihena ny fitohanana any amin'ny lalam-pirenena faharoa koa indrindra fa ny loza mety aterak'ireo fiara vaventy sasany izay mampitaraina ny maro.
Pati

Légende : Mizotra milamina tahaka izao ny asa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT