Miantso ny orinasa Ejiptiaina SAMCRETE hanafaingana
ny asa fanorenana ny lalambe vaovao, ary hanamafy ny fitaovana ampiasaina sy ny famatsiana akora ilaina mba hahafahana manaraka ny fe-potoana voafaritra ny Minisiteran’ny asa vaventy. Ankoatra izany, takiana amin’ilay orinasa ny fanolorana tetiandro isam-bolana mazava sy feno momba ny dingana rehetra amin’ny asa. Ity lalambe vaovao ity izay ambara fa natao hanatsarana ny fivezivezen’ny fiara eo anelanelan’i Antananarivo sy Toamasina. Mirefy 260 km, ary ho zaraina ho dingana telo amin’ny fanorenana. 2028 no nofaritana fa hahavitany tany aloha ka asa na mbola izay na ahoana. Raha hiverenana anefa, 80km no nampanantenaina hatramin'ny faran'ny taona no 2023 no nampanantenaina ny desambra 2022 raha nanao lanonana fihetsiketsehana lehibe, nihena ho 25km, ary zara raha 8km no notokanana ny aogositra tao anatin'ny fihaonamben'ny SADC. Tao anatin'ny tetibolam-panjakana 2023 efa nisy 301 miliara Ar hoe hamintana ilay 80km fa tsy hita izay vita teo. Telo taona aty aorian'ny filazana ny ho vita tamin'izany, 10% monja. Tsy nisy mangarahara, tsy nisy fanazavana firy, dia izao mandeha indray ny serasera! Tsy dia mifankaiza amin’ilay resaka Fly over izay efa hatrany amin’ny 2019 no nodradradraina fa raikitra sy hanomboka. Efa betsaka izay serasera natao izay tamin’ny Fly Over, Autoroute, Jirama, Tanamasoandro,… fa tsy hita izay tena miangana. Asa mba efa milamina ve izao ny fanonerana samihafa mikasika io lalambe izay lazaina fa autoroute io ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.