Fifamoivoizana

Làlam-pirenena voalohany Nidona mafy tamin’ny andrin-jiro ilay fiara 4x4


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nampivarahotsana teny amin’ny làlam-pirenena voalohany (RN1) ny 7 janoary lasa teo tokony ho 2 ora sy sasany tolakandro, teo amin ny PK 66, 2 km mialohan’ny hidirana ny tanànan’i Soamahamanina.

 Fiara tsy mataho-dàlana iray nianga avy aty Antananarivo ho any ampefy no nivoaka ny làlana rehefa nikasa ny hisongona fiara lehibe teo anoloany. Raha ny filazan’ ny mpamilin’ilay kamiao dia nalama ny làlana noho ny orana sy ny fisian ny rano miangona teo amin ny arabe ka antony nampisy ny loza satria tsy tafajanona ilay fiara tsy mataho-dàlana raha tsy nahadona ny andrin-jiro teo amin’ny ankavian-dàlana ka nahasimba tanteraka ilay fiara. Tapaka nianjera tanteraka rahateo ilay andrin-jiro vita amin’ny « béton ». Tapaka nandritra ny ora iray noho izany ny fifamoivoizana noho ilay andrin-jiro izay mitondra herinaratra matanjaka nibahana ny làlana. Azo raisina ho fahagagana anefa fa ireo olon-droa tao anatin’ilay fiara dia tsy nahitana na dia ratra kely monja aza, hoy ny fanamarihana. Efa teny an-toerana ny zandarimariam-pirenena nandamina ny fifamoivoizana sy nandray an-tànana ity loza ity. Entanina ny mpampiasa làlam-pirenena mba samy hitandrina indrindra amin’izao fotoanan’ny orana sy ny faharatsian’ny làlana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT