LALAM-PIRENENA VOALOHANY

Kamiao feno vary nivadika, potika tanteraka


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena voalohany

afak’omaly Alatsinainy 29 Janoary tokony ho tamin’ny 08 ora hariva. Kamiao lehibe iray feno vary avy any Tsiroanomandidy hiakatra eto Antananarivo no nivadika ka potika sy simba tanteraka niaraka tamin'ny vary marobe noentiny. Raha araka ny fantatra dia nifanena tamina fiara lehibe iray izay saika nifandona taminy ity kamiao feno vary ity. Voatery niala io loza io ilay mpamily noho izany saingy nivadika ambony ambany indray ilay fiara nentiny rehefa naka sisiny. Tsy nisy naratra moa ireo olona miisa 3 tao anatiny raha araka ny fantatra ihany fa avotra soa ama-tsara avokoa. Mbola nitohy hatramin’ny omaly kosa ny fandraofana ireo vary tamin’ny gony very.
Pati
Legende : Nivadika ambony ambany tahaka izao ilay kamiao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT