LALAM-PIRENENA VOALOHANY

Hisy vavaka hatao hanafoanana ny lozam-pifamoivoizana


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Ain’olona manodidina ny dimy raha kely no hafoy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany isam-bolana ankoatra ireo

maratra sy mitondra takaitra. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana mitranga eny an-toerana matetika izay saika ho isan’andro mihitsy. Misy hatrany ireo lasibatra koa raha tsy mifofoha volo dia tapitra aina. Izany indrindra no anton’ilay fotoam-bavaka lehibe ho fangatahim-pitahiana amin’Andriamanitra hotanterahina eny an-toerana ny 05 Oktobra ho avy izao. Hifanampy sy hifanome tanana mba handroaka ireo fanahy ratsy miteraka loza eny amin’ny lalam-pirenena voalohany ireo fiangonana maro isan-tsokajiny ao anatin’ny kaominina Ampitatafika sy Fenoarivo distrikan’Atsimondrano izay samy mahatsapa fa tena ilaina tokoa izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia misy hatrany ny ra latsaka. Farany teo ohatra dia olona 3 mianaka no indray namoy ny ainy teny an-toerana rehefa navadiky ny fiara avy namonjy lanonana avy any Antsirabe. Ankoatra ity fotoam-bavaka ity moa dia fantatra fa hisy ihany koa ny fanentanana ireo mpamily fiara mampiasa iny lalana iny mba samy hitandrina sy handeha mora fa tsy sanatria hanararaotra sy hatsaran’ny lalana ka hanaotao foana. Ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana moa raha tsiahivina dia avy amin’ny olana ara-teknika ateraky ny fiara avokoa raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tsy tapaka loza tahaka izao eny amin’ny lalam-pirenena voalohany, antony tsy maintsy hitondrana am-bavaka azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT