Fifamoivoizana

Lalam-pirenena RN1 BIS Lasa “taxi-brousse” ny “ambulance”


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Fiaran’ny ministeran'ny fahalasamam-bahoaka, irony fitondramarary na "ambulance" irony, no lasa fiara fitateram bahoaka amin’iny lalam-pirenena RN1 BIS iny, r

aha ny fampitam-baovao voaray omaly. Naka marary tany amin'ny CSB Ankondromena ity fiara ity ny 26 jolay 2023, niala avy any Morafenobe. Ny marary aloha no miantoka ny solika mandroso sy miverina miala Morafenobe mihazo an'Ankondromena, Ankondromena mamonjy Tsiroanomandidy. Rehefa niverina Morafenobe dia nanaovana “taxi-brousse”, izany hoe fiara fitateram-bahoaka ilay fiara. Ny saran-dalana Morafenobe Tsiroanomandidy dia 120.000 Ariary. Tonga dia nanaovana taingimbe. Olona miisa 14 eo no nentiny. Mandalo ny sakan’ny polisy eny amin’ny lalana tsy latsaky ny 5 isa vao tonga eo amin’ny kaominina Beravina, RN1 Bis, toerana nahazoan’ny olona tsara sitrapo ny sary, hoy hatrany ny tati-baovao. Raha misy fahasimbana dia volam-bahoaka no hanamboarana “ambulance”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-vaovao nahita ity tranga iray ity. Raha mitohy matetika izao, tsy hierina akory ny taona dia ho potika tsy ho azo hampiasaina intsony ity fiara ity. Marina hoe sahirana ny mpiasan'ny. fahasalamana,"enclavée" na feno lavadavaka ny toerana saingy tsy rariny kosa izao, hoy ny mpisehatra iray eo anivon’ny fahasalamana nampita ny vaovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT