Fifamoivoizana

Lalam-pirenena RN1 Bis Kamiao roa tra-tehaka nitondra hazo voarara


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Kamiao roa no saron’ny zandary tamin’ny lalam-pirenena voalohany Bis (RN1 bis) nitondra hazo voarara ny alin’ny 18 febroary 2020.

 

 

 

 Hazo sarobidy efa voatsofa hanana endrika « madrier » lehibe ireo sarona ireo, ka ny iray 40 no tao anatiny, ary ny faharoa nahitana 41. Nalaina tao Ihorimbato fokontany, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe, faritra Melaky ireto hazo ireto. Nogiazana ao amin’ny toeram-pamonjana fiara avy hatrany moa ireto kamiao ireto, izay vehivavy ao Tsiroanomandidy no voalaza fa tompony. Voararan’ny lalàna ny mitrandraka ireto karazan-kazo tratra ireto. Nanokatra fanadihadiana ny zandary hamantarana ireo miray tendro amin’izao raharaha izao. Midika io, fa mandeha izany ny afera fandripahana hazo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT