Nanaitra ireo mpanara-baovao ny trangana lozam-pifamoivoizana nisesisesy teto
Madagasikara indrindra amin` ireo lalam-pirenena nialoha, nandritra ary taorian` ny fetin`ny krismasy. Saika fiara mitatitra olona avokoa ireo nisedra ny loza eny amin`ireo lalam-pirenena manerana ny nosy. Ny 20 desambra teo, tao Ambatofitorahana RN7, dia sprinter iray no nivadika noho ny lavaka iray teo amin` io toerana io. Ny 22 desambra teo, “taxi-brousse” roa nifanenjika, ka nifananena tampoka tamina fiara hafa tao anaty fiolahana tany Ambatonigiara RN5 ka nidofitra. Maro ny naratra, ary betsaka no tsy nahatsiaro tena, ka noentina haingana teny amin` ny hopitaly tao Fenerive-Est. Io andro io koa dia nahitana lozam-pifamoivoizana teny Ambatoloana RN2. Teny amin` ny RN7 koa, atsimon`i Behenjy, ambony ny sampandan-dalana mivily any amin` ny Resto FOIE GRAS, fiara roa nidofitra noho ny hafanganam-pandehanana diso tafahoatra. Ny 23 desambra teo, lozam-pifamoivoizana niseho tokony tamin'ny 4ora teo tany Mananjary: fiara taxi-brousse iray ho any Mananjary no nilatsaka teo Anjozoro Ambongo. Vokany, olona telo no namoy ny ainy. Io andro io ihany fa tany amin` ny RN4, fiara sprinter roa, izay samy nitatitra entana (ny iray entana madinika, ny iray hafa nitatitra manga), no nifandona teo amin` ny 10 km mialohan` Ankazobe. Potika samy tsy misy azo raisina ireo fiara ireo. Ny fetin` ny krismasy indray dia fiara tsy matahodalana iray no nianjera tany ankady raha nisongona fiara tsotra teo amin` ny 70 km tsy hidirana an' Ankazobe. Marihina fa nitondra olona 5 izy io ka ny iray tamin` izy ireo no naratra mafy. Efa nahazo fitsaboina ao amin` ny hopitaly Ankazobe izy ireo ankehitriny. Ny 26 desambra teo, tokony tamin` ny 12ora 15 mn Ambalabongo RN4, fiara starex avy aty Antananarivo hihazo an`i Mahajanga no tapaka “pivot” tampoka ka nivadibadika . Vokany, 2 no maty, ary ny mpamily sy ireo mpandeha hafa dia tena naratra mafy. Ho an` ny RN4 manokana dia ny lalana mampifandray an`Ankazobe – Maevatanàna, sy, Maevatanàna-Ambondromamy no tena ahitana lozam-pifamoivoizana satria tsara kokoa ny lalana ka manararaotra mandeha mafy ireo mpamily kanefa rehefa tsy voafehy ny familiana dia loza no setrin` izany. Santionan` ireo loza nitranga nandritra ny fetin` ny krismasy ireo voalaza ireo saingy miandry kosa ny antontan`isa ofisialy avy amin`ireo mpitandro filaminana izay ahiana ho betsaka noho ny valan’aretina Coronavirus. Ilaina ny fandraisana anjaran` ny sehatra samihafa, hampihenana izany, toy ny mpitandro filaminana, ny mpamily fiara isan-tsokajiny, ny fikambanana na mpiserasera amin`ny lafiny fifandraisana samihafa. Mila hamafisina ihany koa ny lafiny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ny lafiny ara-teknika amin'ny fiara sy vesatra entiny ihany koa dia mila fanarahamaso hentitra. Legende: Toy izao no nahazo ilay sprinter tao Ambatofitorahana RN7 izay nivadika noho ny lavaka iray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.