Fifamoivoizana

Lalam-pirenena Mihoatra ny 1000 isan’andro ireo fiara mikasa hivoakan’Analamanga


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Marobe ireo fiara mikasa hivoaka ivelan’ny Faritra Analamanga hihazo ny lalam-pirenena eto amintsika isan’andro. Raha araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena dia mihoatra ny 1000 isa isan’andro izy ireo ka ny 500 hatramin’ny 600 isa amin’izy ireny no tsy maintsy averina avokoa.

 

 

 

Manodidina ny 300 isa eo ihany koa ireo moto sy bisikileta mitady lalana saingy ny 200 amin’izy ireo ihany koa no tsy maintsy averina. Noho ny tsy fisian’ny anton-dian’izy ireny mazava no voalaza fa anton’izany. Ho an’ireo fiara mpitatitra entana ohatra dia misy ireo mitondra olona an-tsokosoko izay hafangarony amin’ny entana. Eo ihany koa ireo mitondra olona mihoatra ny isa nifanarahana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ankoatra ny mpamily sy ny mpanampy azy…. Ho an’ireo tratra moa dia fantatra fa efa nosaziana avokoa izy ireny. Tanjona ny hitandrovana hatrany ny fahasalaman’ny mpiray tanindrazana manoloana ny fihanaky ny COVID 19 eto amintsika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT