Fifamoivoizana

LALAM-PIRENENA FAHAROA Omaly vao nojerena ireo faritra tena ratsy


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vankansy lehibe isika amin’izao, fotoana mahabetsaka ireo mpiala sasatra.

Ny mampalahelo sy mampitaraina ny rehetra anefa dia saika potika tanteraka ny lalana mivoaka ny faritra rehetra toy ny miazo ny lalam-pirenena faha-efatra izay manomboka etsy Manerinerina raha toraka izany ihany koa ny miazo ny lalam-pirenena faharoa…. Raha lalana tokony natao adin’ny 5 ny miazo an’i Toamasina teo aloha dia lasa hatao adin’ny 13 ora amin’izao. Omaly raha araka ny vaovao vao tonga nijery ireo teboka tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faharoa ny Ministeran’ny asa vaventy izay nanamafy fa tsy noho ny fitokonana hataon’ireo mpitatitra akory no antony hanamboarany ny lalana fa noho ny fandaharan’asam-panjakana. Nanomboka teo amin’ny teboka faha-11 no nojereny ka hatramin’ny faha-48. Ny banky iraisam-pirenena no hamatsy vola izany izay hatao manara-penitra raha horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana kosa ny fanamboarana ny lalana eo amin’ny teboka faha-48 ka hatramin’ny faha-78. Hatao manara-penitra haharitra 5 taona moa ny asa raha ao Moramanga no hofaranana ny asa fitsirihana amin’ny faran’ny herinandro ho avy io.
Pati
Legende : Efa potika tahaka izao ny lalam-pirenena faharoa vao amboarina !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT