Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faharoa Mahazo 2000 ariary isan’andro ireo ankizy manamboatra lalana


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Ny fotoanan’ny fialan-tsasatra lehibe tahaka izao no tena mampahazo vahana ireo ankizy manao asa an-tselika eto amintsika. Ankoatra ny fitaomana biriky sy ny famakiana vato ary ny tsaka ranon’orana ho antsika eto an-drenivohitra dia tena mahazo vahana be ihany koa any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ireo ankizy mikarama manamboatra làlana.

    Zazalahy kely ny ankamaroan’izy ireo, manomboka eo amin’ny valo taona no miakatra izay sady mitady vatokely  mba hanampenana ireo lavadavaka no mampiasa fitaovana mba hanotoana izany ihany koa. Raha araka ny fanadihadiana natao dia mahazo 2.000 Ar isan’andro ny iray amin’izy ireny raha kely, vola hangonina mba hividianana fitaovam-pianarana na koa hividianana sakafo. Ireo mpamily fiara mampiasa ny làlana no manome azy ireo izany vola izany, miampy ireo tera-tany vahiny mandeha mitsangatsangana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Saika ahitana ireo ankizy mikarama manamboatra làlana avokoa moa amin’ireo lalan-dratsy rehetra miazo an’i Toamasina ka anisan’ireny ny ao Brickaville.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT