Fifamoivoizana

Lalàm-pirenena faharoa Ireo tena simba no amboarina


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Manomboka ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faharoa (RN2) miainga eo Brickaville ny orinasa voafantina hanao izany, araka ny fampahafantaran’ny Fitantanana Foiben’ny Asa Vaventy.

 Vola madiodion’ny fanjakana, avy amin’ny tetibolan’ny Fonds Routier no hanatanterahina ny asa. Efa nambaran’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo rahateo, fa ny eo am-pelantanana no hahetsika. Fikojakojana ireo simba no atao, fa tsy fanamboarana tanteraka, ary efa nilaza ny minisitry ny asa vaventy fa tsy ahafahana manavao ny làlam-pirenena eto Madagasikara ny vola eo am-pelantanan’ny Fanjakana. Any amin’ireo toerana tena misy fahasimbana no hamboarin’ireo orinasa manatanteraka ny asa. Takian’ny mpampiasa làlana, indrindra fa ny kamiao mpitatitra entana ny fanavaozana ny RN2. Raikitra hatramin’ny fitokonana ary niditra an-tsehatra hatramin’ny mpitandro filaminana. Andrasana izany ny fahavitan’ny asa. Ankoatran’ny fikojakojana, dia ny alakamisy lasa teo raha tsiahivina no notanterahina ny fifanarahana tamin’ny Governemanta Japoney amin’ny fanavaozana tanteraka ny tetezan’Antsapanana sy Mangoro, izay misy famatsiam-bola 23 tapitrisa dolara. Hosoloina tetezana « béton armé » ireo vy mandrafitra izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT