Fifamoivoizana

Làlam-pirenena faharoa 4 indray matin’ny lozam-pifamoivoizana


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Nitragana loza mahatsiravina teo amin'ny sampanana Manambato Brickaville tamin'ny Alahady lasa teo tany amin'iny lalam-pirenena faharoa iny.

 Olona 7 mianaka nikasa ny hiala sasatra any Foulpointe no tra-doza. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niala fiolahana na « virage » ny mpamilin'ity fiara ity ka tsy nahatafaverina familiana intsony, ary lasa tany anaty hantsana sy rano. Vokany, olona 4 no indray namoy ny ainy. Anisan'ireo i Fabienne Raharivelo, tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny Ortana na ny « office regional du tourisme Analamanga » niaraka tamin'ny zanany vavy kely iray. Toraka izany koa ny rafozan-dahiny sy ny rafozam-baviny izay nentin'izy ireo niaraka taminy. Avotra soa aman-tsara kosa izy 3 mianaka nahitana ny mpamilin'ilay fiara, ny vadin-dRatompokovavy ary ny zanany lahy kely iray. Izahay eto amin'ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny maty.
Nangonin'i Pati Legende : Tahaka izao no nihafaran'ilay fiara tra-doza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT