Fifamoivoizana

Lalam-pirenena fahafito Fiarabe roa no nisy nanafika, very ny vola 3 tapitrisa Ar


  • Talata 21 Martsa 2023

Tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana any amin’ny lalam-pirenena fahafito miazo an’i Toliara. Fiarabe miisa roa mpitondra entana indray omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora no notafihina jiolahy maromaro,

129 km tsy hiditra an’i Toliara. Tao amin’ny fokontany Amboandelaka no nitrangan’izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia notorahin’ireo jiolahy tamin’ny vatobe ny parabrise-n’ireo fiarabe. Nokendreny tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny kodiarany ka tsy afa-nihetsika intsony ireo fiarabe ireo. Lasan’ireo jiolahy nandritra iany ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny finday maromaro. Ankoatra azy ireo dia taxi brousse iray avy any Fianarantsoa ihany koa no saika lasibatra omaly maraina ihany saingy narovan’ny zandary ireo mpandeha tao anatiny ka tsy nisy voakasika. Hetahetan’ireo mpamily taxi brousse sy fiara vaventy araka izany ny tokony hanarahan’ny mpitandro ny filaminana maso akaiky ireo ny lalam-pirenena rehetra eto amintsika. Ho an’ny taxi brousse dia tokony averina ny mpitandro ny filaminana manaraka azy ireny raha tsy tokony hofoanana ihany koa ny fiarahan’ny fiara miaraka na ny caravane.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT