LALAM-PIRENENA FAHAEFATRA

Mirongatra ny fanafihana, taxi-brousse iray lasibatra


  • Zoma 22 Desambra 2023

Mirongatra ny fanafihana taxi-brousse amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely

sy ny faran’ny taona izao any amin’ny lalam-pirenena. Taxi-brousse iray mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga no nisy nanafika teo Andranofasika, lalam-pirenena fahaefatra, omaly Alakamisy maraina tokony ho tamin’ny 04 ora raha hiazo an’i Mahajanga. Notetezin’ireo jiolahy avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny ka lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny vola an-tapitrisa an’ireo mpandeha. Nisy saika hanaovana fialan-tsasatra kely sy ny fety ny an’ny sasany... Toraka izany koa ny firavaka sy ny findain’ireo mpandeha sy ny mpamily. Maromaro moa ireo jiolahy no nanatanteraka ity asa ratsy ity raha araka ny vaovao azo no sady nitondra fitaovam-piadiana. Potika vokatr’izany ihany koa ilay fiara. Notifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy mantsy ny fitaratra raha nisy ihany koa ny tora-bato. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Mila mitandrina tsara ireo taxi-brousse mivoaka sy miditra an’Antananarivo amin’izao ankatoky ny fety izao. Mba te-hanao fety koa mantsy ireo mpanao ratsy koa na hanaovany vy very ny ainy aza izany dia hataony.
Pati
Legende : Ilay taxi-brousse voatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT