Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-7 Miverina ny fanakanana sy fanafihana taksibrosy


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Miverina mahazo vahana any indray ny fanakanan-dalana ataon’ny jiolahy sy ny dahalo any amin’ny làlam-pirenena fahafito na ny RN7.

 Lasibatra indray ireo taksiborosy, kanefa efa mba nihalefy izany teo aloha. Ny alin’ny 18 septambra tokony ho tamin’ny 11ora. Manodidina ny 45 ka hatramin’ny 50km miala an’Ambositra no nitrangan’izany, tany Irano, fokontany Fandrainjato, kaominina Ilaka Centre. Fiara 5 tamin’ireo no voatoraka, sy nahazoan’ireo jiolahy vola maherin’ny 4 000 000 ariary, niaraka tamin’ny finday sy fananan’ny mpandeha isan-karazany. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana tany an-toerana, vokatry ny antso nataon’ny mpandeha. Nitsoaka ireo jiolahy, noho ny tifitra nataon’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy naratra, tsy nisy aina nafoy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambositra. Omaly alahady 19 septambra tokony ho tamin’ny 1ora maraina, taksibrosy hianatsimo maromaro no voatafiky ny andian-jiolahy teo anelanelan'i Beronono sy Kianja any Akaikin'Ilaka Centre, hoy ny fampitam-baovao hafa. Voaroba, ka lasa ny volan’ireo mpandeha, ny entana sy zava-tsarobidy rehetra. Tsy vitan’izay fa nisy ny naratra tamin’ireo mpandeha sasany noho ny herisetran’ireo olon-dratsy. Nisy nahatsikaritra fa fiara sprinter sy “4x4” izany no nametraka jiolahy am-polony mirongo basy teo amin'ilay toerana, hoy hatrany ny vaovao avy any an-toerana. Efa tonga teo an-toerana ny zandary fotoana vitsy tao aorian’ny nitrangan’ny loza. Ny 18 septambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 1 ora sy 45 minitra ihany koa, diavoalaza fa nisy fanakanan-dalana nataon’ny dahalo teo amin'ny Pk 82+700 Menabe Lovainjafy, CR Ambohimpihaonaba, Distrika Ambatolampy. Fiara taksibrosy hihazo an'Antananarivo indray no lasibatra, voatora-bato teo. Lehilahy 4 mirongo «bois rond» nametraka sakana teo amin'ny arabe, raha ny fanazavana vonjimaika. Olona avy namonjy lanonana ireo efa-dahy no nikasa hanao asa ratsy, raha ny voalazan’ny fanadihadiana taorian’ny fahatongavan’ny zandary nijery ifotony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT