Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-7 Fiara 4x4 nivadika, maty ilay ramatoa mpamily


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tany.amin'ny RN7 akaikin’ny distrikan’ Ihosy omaly ka fiara 4x4 iray no niharan-doza tamin’izany

. Nivadika ambony ambany izy io noho ny antony tsy fantatra ka maty tsy tsa-drano nandritra izany ilay vehivavy namily ny fiara. Roa hafa kosa no naratra ary efa nentina any amin'ny hopitaly Ihosy omena fitsaboana. Tsiahivina moa fa vokatry ny fandehanana mafy na ny hamamoana matetika no mitera-doza mety hamoizana ny aina tahaka izao. Tokony samy hitandrina araka izany ny tsirairay. Fotoana mahabetsaka ny mpampiasa lalana rahateo ankehitriny ka ilana fahamalinana tanteraka. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanaraha-maso ny fiarakodia.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT