LALAM-PIRENENA FAHA-6

Tapaka noho ny tondra-drano


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Tapaka noho ny tondra-drano vokatry ny ora-mikija ny faran’ny herinandro teo ny lalam-pirenena faha-6.

Voakasik’izany manokana ny ao amin’ny tetezan’Ifasy, any amin’ny distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA. Efa mihoatra ny faritra haavon’ny tetezana sy ireo toerana nanaovana ny fivilianana na ny deviation ny rano, raha araka ny vaovao voaray. Tsy maintsy nandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra noho izany ho fisorohana ny loza. Tsiahivina fa efa tamin'ny rivodoza Gamane farany teo ity tetezana ity no simba saingy tsy mbola nisy mihitsy ny asa fanamboarana natao. Ny familian-dalana vonjimaika no nataon’ireo tompon’andraikitra nefa efa hiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny rivodoza indray isika eto Madagasikara. Fiara fitateram-bahoaka sy kamiao mpitatitra entana maro vokatr’izany no mihitsoka any an-toerana miandry ny faharitran’ity ranobe ity.
Pati
Legende : Tahaka izao ny haavon’ilay rano ao amin’ny tetezan’ Ifasy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT