Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-5 Taxi-brousse sy tuk tuk tratra nitondra zaza amam-behivavy


  • Zoma 29 Mey 2020

Fiara taxi-brousse sy tuk-tuk, tsy misy mpandeha fa feno entana no mandalo teo amin'ny sakana ara-pahasalamana tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy omaly raha hihazo an’i Vavantenina.

 

 

 

Mody entam-be tahaka izao hita amin’ny sary izao no nentin’izy ireo kinanjo feno olona tao anatiny rehefa nosakanan’ny mpitandro ny filaminana tany alohaloha kelin’ilay sakana. Lehilahy sy zaza amam-behivavy, avy any Vavatenina no tao anatiny. Voalaza fa ny sasany tamin’izy ireo dia avy ao Vavantenina ary handeha dia an- tongotra hamakivaky ho any Ambatondrazaka... Nosakanana, naverina, ary natao famotorana izy ireo mba hahafantarana izao firaisana tsikombakomba izao. Ny miaramila moa no anisan’ny niady mafy nahazoana izao vokatra izao. Tsiahivina fa ho fiarovana tsy hiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 avokoa no anton’izao fanaraha-maso ny fivezivezen’ny mponina izao.

 Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT