Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-44 Ho tapaka tanteraka


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Tahaka ireo lalana maro manerana ny Nosy, dia mampikolay ny mpandeha sy ny mpitatitra ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka.

 

 Potika tanteraka izy io amin’izao. Adiny sivy no nanaovana azy hatramin’izay, ankehitriny, indray andro maninjitra no lany raha kely. Raha miala aty an-drenivohitra amin’ny 4ora sy sasany hariva, dia ny ampitso tahaka izay vao tonga raha tamin’ny 1ora maraina dia efa tafiditra any Ambatondrazaka tamin’ny tsy fotoam-pahavaratra. Mamotika ny lalana amin’izao ny tsy fisian’ny fanaraha-maso sy ny famerana ny fiara tokony ho afaka mivezivezy. Tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity izao, dia tapaka tanteraka ny tao ambaniatsimon’Andranokoboka satria nihitsoka tao ny fiara goavana mpitatitra Kraoma. Voatery manao “transbordement” na mifamindra ireo mpandeha sy ny entana ny mpitatitra. Efa hatry ny ela no nisian’ny fampanantenana ny hanamboarana iny RN44 iny, saingy tsy tontosa hatreto. Ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia nilaza ny hanao an’io, saingy mbola fampanantenana poak’aty aloha hatreto satria tsy mbola voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana izany, izay mbola hasiam-panitsiana rahateo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT