Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 Miha potika ary mety hampitera-doza


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Mila mitandrina ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahafaenina mampitohy ny faritra andrefana sy ny avaratra nosy satria potika avokoa ny ankamaroa’ny lalana sy ny tetezana

 mampifandray ireo fokontany sy ny kaominina. Miainga avy eo Ambohidratrimo dia efa lalana feno lavaka arahina tara simba no iainan’ireo mpitondra fiara sy ny mpandeha rehefa hihazo ny lalam-pirenena fahaefatra. Tonga hatrany Mahajanga sy ny Antsiranana ireo lalana simba. Eo anelanelan’ny Maevatanana sy Ambondromamy no tena betsaka ireo lavaka izay mampiteraka lozam-pifamoivozana ireo fiara izay miala lalana feno lavaka . Ambondromamy Ambilobe izay efa tena ratsy misy fanamboarana aman-taonany saingy ny fampanantena ataon’ny mpitondra izay hisy fanamboarna izay tsy voafaritra no betsaka. Maro ny voka-dratsy ateraky ny fahasimban-dalana amin’ny lalam-pirenena ireo ; ny fiara izay mpitatra mpandeha dia mitaraina amin’ny fanoloana ny kojakoja isaky ny mihetsika. Ny asan-dahalo sy ny tetezana ahiana hihotsaka dia isan’ny mampitaintaina ireo vahoaka amin’ireo faritra roa handalovan’ny RN 4 sy RN6 iny. Anisany mety hampidera-doza indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny fampiasana ireo lalana ireo satria dia efa malama no feno lavaka izay aleha rehetra ka eo no mety hampideran-doza. Betsaka ireo tranga lozam-pifamoivozana niseho tamin’ireo lalana roa mampitohy ny faritra andrefana sy avaratra ary saika namoizana ain’olona maro. Nitaraina hatrany anefa ny mpampiasa ny lalana amin’ny ministeran’ny asa vaventy amin’ny tokony hisian’ny fanamboarana saingy tsy mbola heno ny fotoana ahafahan’ny fanjakana manao izany . Mandrapahavitan’ny lalana, dia mila mitandrina tanteraka ireo mpamily mba tsy hisian’ny loza mety hitranga .
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT