Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-4 Mitombo isa ireo faritra misy fahasimbana


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Niova tanteraka ny asa fitondrana fiara sy moto miazo ny lalam-pirenena fahaefatra amin’izao noho ny haratsian’ny lalana.

 Nitombo ora 4 be izao mantsy ny fe-potoana lany eny am-pandehanana izany hoe : raha natao 12 ora teo aloha dia lasa 14 ka hatramin’ny 16 ora ankehitriny. Maro amin’ireo lalana no feno lavakabe. Simba ny ankamaroan’ny fiara ka ny ressort no tena soloina matetika sy manahirana hoy ireo tompona fiara. Ankoatra izay hoy hatrany ireo tompona fiara dia any amin’ireo toerana be dahalo no tena ratsy ny lalana ka miteraka fanahiana mafy ho an’ireo mpamily. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny ao Ambalanjanakomby. Nomarihin’ireo mpamily moa fa misy ministra sy governora ary solombavambahoaka mandalo any amin’iny faritra iny ary mahita tsara ny haratsian’ireo lalana ireo saingy tsy taitra. Notsiahivin’ny Ministry ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo moa fa mitentina 300 tapitrisa dolara isan-taona ny lela- vola ilaina hikojakojana ny lalana eto amintsika raha 30 tapitrisa dolara monja no voaangona ao anatin’ilay Fond d’Entretien Routier.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT