Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha 35 Tapaka mandritry ny fotoana voafetra


  • Zoma 13 Janoary 2023

Nampandre ny rehetra, indrindra, ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha 35 mampitohy an’I Malaimbandy sy Morondava omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy fa noho ny fanamboarana

maika ny tetezana eo amin’ny PK 358+900 eo Behintsy, ao amin’ny kaominin’Ankilizato, distrikan’I Malaimbandy, faritra Menabe dia ho tapaka ao anatin’ny fotoana voafetra ny fifamoivoizana. Rahampitso sabotsy 14 janoary manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny alahady 15 janoary amin’ny 6 ora hariva izany fahatapahana izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy misy familian-dalana azo atao mandritra io fotoana io. Ny minisitera dia mametraka fialan-tsiny mialoha amin’ny mety ho fanelingelenana ary manentana ny mpampiasa lalana mba hanaraka ny toromariky ny tomponandraikitra eny an-toerana, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT