Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-34 Taxi-brousse iray tra-doza, mpandeha 4 naratra mafy


  • Zoma 30 Jona 2023

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina teo Pomay, lalam-pirenena faha-34.

Taxi brousse sprinter iray ao amin’ny zotra-pitaterana Cotisse avy any Morondava hihazo an'Antananarivo no niharan-doza tamin’izany. Raha araka ny fantatra dia saika nivadika tany anaty antsana ity taxi-brousse ity rehefa niala lavaka. Vokany, mpandeha miisa 4 no naratra mafy ary noentina namonjy hopitaly any Malaimbandy araka ny vaovao. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsiahivina moa fa vokatry ny olana ara-teknika mety mahazo ny fiara ny 80% mety mahatonga ny loza tahaka izao raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara taxi-brousse tra-doza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT