Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32

Hovitaina alohan'ny 24 aprily


  • Alakamisy 16 Aprily 2026

ireo tena lalan-dratsy

Lalana isany mampitaraina ny olona ny Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32 : Antsohihy - Bealanana sy Antsohihy - Mandritsara, izay tsy vitan'ny ifamezivezen'ny olona fa mampifandray Faritra be vokatra. Tonga nihaona tamin'ny Minisitry ny asa vaventy ny Lehiben'ny faritra Sofia sy ny solombavam-bahoakan'i Bealanana ary ny solombavam-bahoaka voafidy tao Mandritsara, nangataka ny hanafainganana ny fanamboarana ireo lalam-pirenena ireo indrindra ny hanamboarana vonjimaika ireo faritra mampanahirana tahaka ny lalana mampitohy an'i Betainkankana sy Bealanana mba hanamorana ny fifamezivezen'ny mponina. Nanome toky ny Minisitra tompon'andraikitra fa ho vita alohan'ny alakamisy 24 aprily ho avy izao izany rehetra izany ka hisosa ireo fiara mpitatitra mampitohy an'i Bealanana amin'Antsohihy.
Nangonin'i Jean D.

Fihaonan'ny delegasiona avy any Sofia tamin'ny minisitry ny Asa vaventy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT