Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-2 Nivadika ilay fiarabe, nirehitra avy eo


  • Alatsinainy 20 Martsa 2017

Zava-doza no niseho tany amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RN2) ny faran’ny herinandro teo. Fiarabe iray, fantatra amin’ny anarana hoe « Sémi-remorque » irony no nivadika ary nisy tariby misy herinaratra nifampikasoka, ka niteraka firehetana teo amin’ny lohany.

  Tsy voavono anefa ny afo izay nirehitra tao anatin’ny ora maromaro, ka niitatra tsikelikely nankany amin’ireo entana tao anaty kaontenera, ary may kila forehitra tsy nisy noraisina intsony tao anatiny izay mora mirehitra rahateo satria « bal fripérie » no tao anatiny. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fitantaran’ny mpanampy ny mpamily, dia tsy nisy ny fifanampiana teo amin’ireo samy fiarabe nitandahatra fa navelan’ireo namana teo izy ireo raha vao vantany nitsingidina ny fiaran’izy ireo. Zava-dehibe ny tokony hametrahana ireny tavoahangy lehibe misy famonoan’afo ireny ao anatin’ny fiara, ka tokony ho hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisavana azy ireny. Helohin’ny lalàna ihany koa ny tsy famonjena olona tra-doza eny amin’ireny lalam-pirenena ireny, ka tokony hohamafisina ny fampiharana sy ny fampianarana izany ho an’ny mpitatitra sy ny mpampiasa fiara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT