Lalam-pirenena avela ho simba

Iza no tena mahazo tombotsoa aminy ?


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra lehibe izao dia maro ireo fianakaviana

nisafidy ny hiova lasy kely, mandeha manai vakansy ka mamonjy morontsiraka sy ranomasina.
SIMBA NY ANKAMAROANY
Samy hafa ny dia fa mitovy ny fanamarihana : ratsy be ny lalana, ela ny dia. Ahitana fahasimbana avokoa ny 90% n'ireo lalam-pirenena misy eto. Raha lalana natao adiin'ny 7 lasa tsy vita raha tsy adin'ny 14. RN2 Antananarivo -Toamasina io tian-kambara io. Fa ny RN4, RN5, RN6, RN7..dia samy mampiteny ny moana avokoa ny faharatsian'ny lalana. Mazava ny amin'iny. Fanontaniana tsy afaka am-bavan'ny maro manoloana izany ny hoe fa nahoana no simba, nahoana no mora simba ny lalana, ary nahoana no avela efa simba be ny lalana vao hoe andao amboarina ? Ny rehetra dia mitondra faisana, miha lafo ny saran-dalana mazava ho azy.
ASA MAIMAIKA
Etsy ankilan'izay mivoaka avy eo ny fanapahan-kevitry ny fanjakana fa hoe atao tolo-botsotra ny asa fanamboaran-dalana fa tsy miandry ilay kipitsopitsony momba ny tsena-barom-panjakana-panjakana. Izay orinasa heverina fa mahavita ny asa, maharesy lahatra ny manapa-kevitra ao amin'ny fanjakana ao no mahazo ny tsena. Ny olana, mandeha ny asa, vita, mety hoe tokana, hanaovana lanonana ofisialy saiingy afaka herintaona latsaka kely dia simba. Amboarina indray, lazaina fa asa maika dia miverina ihany ilay natao tany aloha, dia tsy atao mahagaga raha simba isan-taona ny lalana eto fa tsy mba maharina am-polo taonany maro tahaka ny any amin'ny firenen-kafa. Satria manjaka ny resaka akamakama ary mety orinasa vao noforonona maimaika no nahazo tampoka ny tsena tolo-botsotra, tsy ampy traikefa akory, dia mora simba ihany koa ilay lalana.
BIZINA AMBADIKA
Fa mazava ho azy mahazo tombony be amin'ny faharatsian'ny lalana ihany koa ny mpivarotra fiara 4x4, ny mpivarotra kojakoja ho an'ny fiara, ireo orinasa mpivarotra solika..rehefa mandeha ela ny fiara dia mitombo ny solika laniny.Bizina hafa aty ambadika mihitsy izany rehetra izany, efa fantatra ihany kanefa toa hodian-tsy hita. Asa izay ho afitsok'ireo solombavambahoaka vaovao manoloana izany. Tena ho sahy hanery ny governemanta hanao tsara ny asany ve sa hody fanina ihany tahaka ny teo aloha ka hanome vahana ireo mpibizina amin'ny famoriam-bahoaka?
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT