Fifamoivoizana

Lalam-pirenena 33b Tapaka tanteraka, mihoatra ny arabe ny rano


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Tapaka tanteraka ny lalam-pirenena 33b mampitohy an’Ambatoboeny sy Andranofasika. Vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny arabe no mahatonga izany.

Efa misasaka mihitsy ny arofanin’n' tetezana eo radier voalohany ary efa any amin’ny faritra mena ny haavon’ny rano eo amin’ny poteaux de balisage. Mbola mitohy hatrany arala izany ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana hataon'ny zandary sy ny Polisy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina fa efa tafakatra 456 ny isan’ireo traboina ao Ankaraobato. Manodidina ny 40 isa ireo efa nafindra ao amin’ny tranom-pokonolona. Ny tena olana moa dia misy ihany ny trano hitoeran’ireo traboina saingy ny hanina hohaniny no tena olana koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Efa potika sy rava avokoa moa ireo fambolena ao an-toerana amin’izao fotoana izao ka tsy misy azo antenaina intsony.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT