Fifamoivoizana

Lalam-baovao Tsarasaotra Zazalahy kely roa nofaohan’ny fiara, maty ny iray


  • Zoma 18 Martsa 2022

Ankizy kely miisa omaly no fantatra fa lasibatry ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika. Ankoatra ilay iray 5 taona namoy izay ainy teny Itaosy dia zazalahy kely miisa 2

 ihany koa omaly no nofaohana fiara golf miloko mena teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra. Maty tsy tsa-drano ilay iray izay tombanana eo amin’ny 11 taona eo ho eo raha tapa-tongotra sy maratra mafy kosa ilay iray ka voatery naiditra hopitaly izay manodidina ny 9 taona eo ho eo. Nandositra moa ilay fiara golf ary tsy nisy nahazo ny laharany hoy hatrany ireo nanatri-maso. Ny lokony no hany azonay hoy hatrany izy ireo izay samy manantena fa tsy ho very maina ny aina sy ny ra latsaka. Efa nametraka fitoriana moa ny fianakavian’izy mirahalahy kely ireto ary efa eo am-pelantanan'ny manam-pahefana ny raharaha. Tsiahivina moa fa anisan’ny toerana be lozam-pifamoivoizana ny lalam-baovao eny Tsarasaotra raha toraka izay ihany koa ny eny amin’ny By-pass. Roa isan-kerinandro raha kely ny loza miseho eny an-toerana raha araka ny fanadihadiana natao ka misy hatrany ireo mamoy ny ainy. Hetahetan’ny mponina araka izany ny tokony hanaovana fombafomba eny an-toerana hahafahana mampitsahatra ity lozam-pifamoivoizana mitranga matetika eny an-toerana ity.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy kely nofaohan’ilay fiara golf miloko mena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT