Fifamoivoizana

Lalam-baovao Tsarasaotra Mamono olona 2 isan-kerinandro raha kely


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Maika ny fanaovana fombafomba eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra hoy ny tolokon’ireo mponina eny an-toerana omaly alahady atoandro.


 Olona iray indray mantsy izay marihina fa tovolahy vao erotrerony no namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly raha naratra mafy kosa ny iray izay efa lehilahy lehibe. Nitondra moto amin’ilay karazany tena matanjaka ilay tovolahy kely vao herotrerony. Nitondra bisikileta kosa ilay lehilahy lehibe. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia nifanena tamin’ity bisikileta ity ilay moto. Nifandona izy mianaka ka nianjera avy hatrany ilay mpitondra bisikileta. Tsy nijanona teo anefa ny tantara satria raha mbola niezaka niala ilay mpitondra bisikileta hatrany ilay mpitondra moto dia nifatratra tany amina fiara tsy mataho-dalana iray ka nisavoana ambony dia ambony vao nitontona tamin’ny tany.Mafy dia mafy ny dona. Vokany, namoy ny ainy omaly ilay tovolahy kely rehefa tonga tany amin’ny hopitaly. Mbola an-dalam-pitsaboana kosa ilay lehilahy lehibe. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana hatrany moa dia olona 2 isan-kerinandro raha kely no mamoy ny ainy eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra.
MISY LOLO ?
Maro tamin’ireo mpamily tra-doza teny an-toerana mantsy ary velon’aina no nilaza fa lasa mizara roa iny lalana iny na andro atoandrobe izao aza rehefa ho avy ny tsy mety. Matetika hoy hatrany ny fanazavana azo dia misy ankizikely miampita izany ny arabe na olona mianaka mifampitantana miampita nefa rehefa tena jerena akaiky dia manjavona. Sahiran-tsaina manoloana izany ireo mpamily fiara ka raha vantany vao tsy mahay dia lasa manao loza fahatany.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT