Fifamoivoizana

Lalam-baovao rocade Ny 3 %-n’ireo mponina rava fananana no mbola tsy nahazo onitra


  • Alakamisy 08 Aprily 2021

Mbola mahatratra 3 % ny tahan’ireo olona rava trano, tanimbary mbola tsy nahazo onitra avy amin’ny Fitondram-panjakana vokatry


 ny asa fanamboarana ilay lalam-baovao rocade Iarivo izay vatsian’ny vondrona Eoropeana vola. Eny amin’ny ivon-toerana natokana ho amin’izany eny Alasora no tokony hanatona ireo voakasika miaraka amin’ny antontan-taratasy rehetra manamarina fa azy tokoa ilay trano nazera na tanimbary nototofana. Raha tsiahivina moa dia olona miisa 615 amin’ny 635 no lasibatr’ity tetikasa iray ity ho an’ny resaka trano. Miisa 738 kosa ireo voakasika tamin’ny resaka tany ka ny 27 amin’izy ireo sisa no tsy nahazo tambiny. Efa vita hatrany amin’ny 92 % moa ny asa fanamboarana ny lalam-baovao Rocade Iarivo raha tsiahivina ary ezahina hisokatra afaka iray volana ny lalana miankina amin’ny toetr’andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT