Fifamoivoizana

Lalam-baovao « Rocade d’Iarivo » Noraisina ara-teknika, azo ampisaina amin’ny volana jona


  • Alarobia 07 Aprily 2021

Noraisina ara-teknika omaly 06 aprily ny làlam-baovao « Rocade d’Iarivo » mizara roa « Nord » sy « Nord-Est » mirefy 8,2km eo mampitohy

 

 

 an’Andranobevava sy By Pass. Ny Masoivoho Frantsay, ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Minisitry ny asa vaventy sy fanajariana ny tany no nanao io fandraisana teknika io. Ny volana jona izao no azo hampiasaina tanteraka ity làlana ity. Tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Frantsay amin’ny alalan’ny AFD io. Ny desambra 2017 no nanomboka io asa io, ary tokony ho vita ny aogositra 2020, saingy nisy ny fahatarana. 14 miliara amin’ny fanorerana 21 miliara Ar  no voaloan’ny Fanjakana hatreto. Efa nahazo fanorenana ny 92% tamin’ny tompon-trano. Mikasika ny tany dia efa nisy fepetra maromaro noraisin’ny Fanjakana. 30% eo no efa naharay ny volany tanteraka, ary ao ny efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy. Misy ny “Guichet unique” eny amin’ny By Pass ahafahana mandray ireo voakasika. Ho an’ireo tsy mbola tomombana ny antontan-taratasy dia tahirizina mandritra ny 30 taona ao amin’ny tahirimbolam-panjakana ny vola fanonerana, saingy tsy tokony hiandry an’izany, h. Mbola hisy ny fanatsarana ny manodidina, mba tsy ho gaboraraka, ka hofaritana tsara ny hoe aiza no azo hanorenana, aiza no azo asiana indostria, aiza no azo hivarotana, hoy hatrany ny Minisitra Hajo Andrianainarivelo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT