Fifamoivoizana

Lalam-baovao miazo an’Ivato Tafatsofoka tao ambany fiara 4x4 ilay moto


  • Zoma 14 Aprily 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly tany amin’ny lalam-baovao miazo an’Ivato. Moto scooter iray handeha hiazo an’Ivato no tafatsofoka tany ambanin’ilay fiara 4x4 teo alohany.

Vokany tapaka ny tongotr’ilay mpitondra moto raha nisy fahasimbana ihany koa ilay moto nentiny. Nahitana fahasimbana ihany koa ny ilan’ilay fiara 4x4 izay voalaza fa niezaka ny nandeha mora ihany ka tsy nahafaty ilay mpitondra moto. Tsiahivina moa fa saika isan-kerinandro raha ela indrindra dia misy loza tahaka izao hatrany eny amin’ny lalam-baovao miazo an’Ivato. Tokony ezahin’ny fanjakana hatao ilay sorona famonoan’omby eny an-toerana hoy ny mponina hisorohana ny loza mateti-pitranga tahaka izao. Raha ny finoan’izy ireo mantsy dia efa diso be loatra ireo ra latsaka teny amin’iny faritra iny ka ilaina amin’izay ilay fomba Malagasy hahafahana mampitsahatra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay moto sy ilay nitondra azy niaraka tamin’ilay fiara 4x4
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT