LALAM-BAOVAO IVATO-TSARASAOTRA

Fiara avy nandona fiaran’olona, nifatratra teny an-tanimbary


  • Zoma 01 Desambra 2023

Fiara tsy mataho-dalana miloko fotsiny no nifatratra teny an-tanimbary omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora

teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato. Raha araka ny fantatra dia vy nandona fiaran'olona ny mpamilin’izy io ka nitsoaka. Nandritra izany anefa no niharan-doza ihany koa ilay fiara ka tavela teny afovoan’ny tanimbary. Nitsoaka ilay mpamily noho izany. Ilay fiara sisa no hitan’ireo olona nanatri-maso nihahaka milomano teny anatin’ny vary maitso. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nahenoana vaovao ny tompon’io fiara io. Notsiahivin’ireo mponina eny an-toerana moa fa tanana heverina ho misy lolo iny faritra misy azy ireo iny. Dimy isan-kerinandro raha kely ireo karazana lozam-pifamoivoizana miseho eny an-toerana ka misy hatrany ny haharatrana olona na hamoizana aina mihitsy.
Pati
Legende : Ity afovoan’ny tanimbary ity ilay fiara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT