LALAM-BAOVAO DIGY AMBOHITRIMANJAKA

Misy lolo mampatahotra ireo mpampiasa lalana amin’ny alina ?


  • Zoma 15 Septambra 2023

Resaka nalazabe tamin’ity herinandro ity ny zava-misy eny amin’iny lalam-baovao digy Ambohitrimanjaka mivoaka

Ambohidratrimo iny isan-kalina. Tsy tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ihany fa hatreny anivon’ny fiaraha-monina mihitsy. Raha araka ny fantatra dia misy fiara efa talohabe mandeha eny amin’iny lalana iny raha vantany vao alina ny andro. Manomboka amin’ny 10 ora alina eo ho eo no hivoahan’izy io ka hatramin’ny 03 ora maraina any ho any. Mandeha toy ny fiara rehetra izy io hoy ireo efa sendrany saingy mandeha miadana dia miadana tokoa. Raha vantany vao mikasa ny hisongona azy anefa ireo fiara aoriany dia tra-doza hatrany ny ankamaroany ka misy ireo mivadika mihitsy. Fiara maromaro no fantatra fa efa lasibatra tamin’izany. Manjavona tsy hita anefa io fiara efa taloha io avy eo ka tsy hitan’ilay mpamily lasibatra sy ireo miaraka aminy izay hatao. Tsy misy hafa amin’izay ny zava-misy eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mivoaka eny Ivato. Misy hatrany koa ireo karazan’olona miampita arabe tampoka mandehandeha mandritra ny alina koa izay sendra izany ka miala dia tra-doza hatrany ihany koa. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : lolo ve ireo mampatahotra ny mpampiasa ny lalana amin’ireo lalam-vaovao ireo sa dia inona loatra ? Ho an’ny lalam-baovao Tsarasaotra dia efa nangataka ny mba hanaovan’ny fanjakana fombafomba eny an-toerana ny mponina saingy tsy mbola tanteraka izany hatreto.
Pati
Legende : Misy loza mitranga hatrany matetika amin’ireo lalam-baovao ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT